- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndohanimandroseza : Olona telo nosamborina, mpandraharaha malaza ny iray

Andohanimandroseza : Olona telo nosamborina, mpandraharaha malaza ny iray

Toe-draharaha nafana sahady no nitsena ny fiandohan’ny volana mey, volana izay ahiana hisehoan’ny korontana, raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao pôlitika. Ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo dia nisy mpitandro ny filaminana nanao fisamborana teny Andohanimandroseza. Mpitari-tolona, mpanao sarimihetsika ary mpandrahara ara-toe-karena, samy fanta-daza avokoa izy ireo, no nalain’ireo mpitandro ny filaminana, raha araka ny vaovao azo teny an-toerana. Vao nitranga anefa izay dia nisy olona maromaro taty ivelan’ny trano, naneho ny hatezerany. Nisy ny barazy izay nataon’ireo ary vetivety ihany koa dia vory ny olona marobe, teo Andohanimandroseza. Teo dia voatery nangataka “renfort” ny mpitandro ny filaminana. Tonga teny tao anatin’ny fotoana fohy ny Emmo-REG ary nampiasa ny baomba mandatsa-dranomaso mba hamahana ny làlana. Vita ihany iny teo saingy mbola niverina indray ny olona ary nanao barazy hafa indray. Nivadika sakoroka izany ary nitohy mandram-parain’ny andro. Nisy pôlisy iray naratra teo amin’ny lohany rehefa voatoraky ny vato. Rehefa samy reraka ny roa tonta satria nitohitohy be loatra ny fifanjevoana dia nisy ny fifampanatonana ary nanaiky ihany ny olona ny namaha ny barazy. Nisy olona telo hafa nosamborina tao anatin’iny gidragidra saingy omaly ihany dia navotsotra izy ireo. Mahakasika ilay fisamborana tany am-boalohany, na dia nisy nety niteny aza ny vondron’ny mpitandro ny filaminana izay nanontaniana, dia fantatra fa fanahiana fikonokononana fanonganam-panjakana ny antony nitazomana ireo olona telo. Ny zandary no nandray an-tànana ny fanadihadiana azy ireo. Nisy ihany koa ny fisavana ny finday an’ireo olona ireo mba hahafantarana izay mety ho mpanao pôlitika miray tendro aminy. Ny zava-misy ankehitriny dia toa manazava fa misy tahotra mafy eo anivon’ny fitondràna, indrindra manoloana ny feo mandeha etsy sy eroa mahakasika ny fisian’ny olona mikononkonona ny hanongana azy ireo. Ny mpitandro ny filaminana dia “consigné” any amin’ny toby misy azy tsirairay avy hatramin’ny alin’ny zoma teo. Manamafy hatrany ny tahotry ny mpitondra izany na dia mbola heverina fa feo sy tsaho fotsiny aza no mandeha…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici