- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFeno pôlisy teny Ampamantanana : Niely ny feo fa hisy hanafika ny...

Feno pôlisy teny Ampamantanana : Niely ny feo fa hisy hanafika ny Scoop Digital

Tao anatin’ny fotoana fohy dia feno pôlisy teo amin’io fokontany io iray manontolo. Niainga tamin’ny antso an-telefaona nataon’ny olon-tsotra ; izay nampilaza fa misy mikasa hanafika ny orinasa mpamokatra sarimihetsika malagasy Scoop Digital. Rehefa nozohiana ifotony ny fandehan-javatra, dia fantatra fa nisy fanendahana nihatra tamin’ny vehivavy iray nialoha izany rehetra izany. Mety ho ny fitangoronan’ny olona izay naterak’izany no nitarika ny fiheverana fa hisy hanafika ny orinasa izay voalaza anarana etsy ambony. Nanao fisafoana mandra-paharainan’ny andro ny pôlisy mba ho fitandroana ny filaminan’ny tanàna ary indrindra koa mba hampilamin-tsaina ny mponin’Ampamantanana sy Ambohitsoa izay mihorohoro matetika noho ny afitsoky ny jiolahy. Manamarina izany ny vono olona nisesisesy izay nitranga teny ka lasa nitondra laza ratsy ho an’ny tanàna. Teo ihany koa ny fisamborana olona tany anaty tanàna tany ka niteraka tsy filaminan-tsaina, satria ireo jiolahy koa dia nandrahona fa hamaly faty. Omaly dia nisafidy ny nanidy tsena aloha be ny mpivarotra teo amin’ny kartie manodidina, raha vao nandre ny zava-nisy. Rehefa niampitapita rahateo ny vaovao, dia mainka koa nampihoron-koditra ny maro ny fiovany. Tao ny nilaza fa misy fanafihana mitranga ao Ampamantanana ary mifamaly basy ny pôlisy sy ny jiolahy. Tao koa no nampitombo ny sary an-tsaina ka nilaza mihitsy aza fa efa misy namoy aina ao an-toerana. Nihorohoro ny mpivarotra raha nahare izany ary nanidy tsena na farafahatsarany nanidy amin’ny ampahany ny varavarana, sao handalovan’ny olon-dratsy. Ny mpandeha an-tongotra indray dia nitsaitsaika maika ny namonjy ny fodiana sao hipitihan’ny poti-bala. Dia izany fikorotanan-tsaina izany indray no niainan’ny mponina teo an-toerana sy ny manodidina akaiky azy, ny alin’ny alarobia teo.
D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici