- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Rongony 2 taonina mahery sarona tao anatina 4x4 misy...

Ihosy : Rongony 2 taonina mahery sarona tao anatina 4×4 misy sainam-pirenena

Rongony maina  131 gony, samy milanja eo amin’ny 20 kg teo ho eo, no saron’ny pôlisy tao amin’ny kaomisarian’Ihosy, ny alarobia lasa teo teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Avy any amin’iny faritra Betroka iny izy ireo no saika haondrana sy haparitaka aty Andrenivohitra. Olona enina hatramin’izao no voatazona ao amin’ny biraon’ny pôlisy sy  anaovana fanadihadiana ka isan’izany ny olona iray milaza ho tompon’ireto entana ireto. Somary nanaitra ny maro tamin’ity raharaha ity, dia ny mombamomba an’ireo fiara izay nitondra ireto zava-mahadomelina ireto. Fiara tsara tarehy avokoa mantsy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana ary ny telo tamin’izany, izay fiara 4×4 marika  “Nissan Patrol” dia nahitana irony karazana marika famantarana ana olom-panjakana ambony irony amin’ny alàlan’ilay sarina sainam-pirenena kely eo aloha, na “concarde”. Nandeha avy hatrany ny feo, fa hoe ana olona ambony eto amin’ny fitondrana ireo fiara ireo, izay lasa mirotsaka ihany koa any amina bizina rongony. Nilaza mazava anefa ny tompon’andraikitra voalohan’ ny kaomisaria any an-toerana fa “hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena tompon’ireo fiara ireo na tena izay olom-panjakana izay marina na tsia. Ny voasoratra ao anaty “carte grise” aloha dia ana olon-tsotra. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ilay olona milaza ho tompon’ny entana no nilazany, fa natao fotsiny hialana amin’ny fisavana eny amin’ny lalam-pirenena no antony nanasiana ilay “concarde”. Hatreto raha ny vaovao hatrany, dia mbola voatazona ao amin’ny biraon’ny pôlisy ireto olona voarohirohy ireto, miaraka amin’ireo rongony an-taoniny maro ireo. Marihana fa, efa ela no tonga tany an-tsofin’ireo pôlisy ny fisian’ireto rongony marobe saika hoentina miakatra ireto ary dia izao sarona izao, eny  fa na dia teo aza fisian’ilay sainam-pirenena. Mbola nahitana basy ihany koa moa tany amin’ireto olona tratra ireto, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici