Miverina tsikelikely ao Toliara sy amin’ireo tsena manodidina indray ireo harona plastika manify voarara fahita teo aloha ireny. Tsy homem-potsiny ny mpanjifa izy ireny fa amidy eo amin’ny Ariary zato ka hatramin’ny 200 ariary. Vokatr’izany dia manomboka mihavitsy ireo mividy ny “sachets plastique biodégradable” matevina izay vidiana 200 ka hatramin’ny 500 ariary, raha ny nambaran’ireo mpivarotra sendra ny mpanao gazety. Miharatsy ihany koa ankehitriny ny tsenan’ireo mpivarotra harona vita amin’ny satrana sy taratasy satria mbola mora vidy ny harona vita amin’ny plastika sady matanjaka kokoa no mitazona rano, indrindra raha hividy toton-kena na trondro.
Gaboraraka. Midika izany, hoy ny fanamarinam-baovao azo, fa ireo magazay lehibe, na eny amin’ireo mpivarotra harona plastika ambongadiny no manaparitaka azy ity indray, kanefa mba efa velom-bolo ny rehetra teo aloha, indrindra ireo mpiaro ny tontolo iainana fa ho nahomby ihany ny fandrarana satria nihrena ireo harona plastika rovitra mameno ny tanàna sy ny tatara ary lakandrano isan-karazany, hatramin’ny moron-dranomasina, indrisy fa miverina indray izany ankehitriny ny gaboraraka.
Eric Manitrisa