Mpanangom-bokatra iray indray no lasibatry ny jiolahy tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny. Vokany, ramatoa iray no namoy ny ainy, robaky ny bala sy voakapa famaky. Nisy telo hafa koa tao amin’ity tokantrano iray tao Tserahoby, ao amin’ny kaominina Mahasolo. Vola teo amin’ny telo tapitrisa ariary niampy ireo entana sarobidy tao an-trano no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fanafihana io. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia nahatratra teo amin’ny valo lahy teo ireo olon-dratsy ary samy nirongo basy sy zava-maranitra avokoa. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nirefodrefotra ny basy tao an-tanàna, nentina nampitahorana ireo mponina tsy hivoaka. Am-boletra avy hatrany no nidiran’izy ireo tao amin’ity tokantrano iray ity ary tsy nisy afa-tsy ny basy ihany koa no niresaka. Raha vao nahita ireo jiolahy niditra ireto tompon-trano dia nitsoaka avy hatrany. Tsy lasa lavitra anefa fa dia lavon’ny bala ireto olona rehetra tao an-trano. Efa mivonon-ko biby mihitsy ireo mpanafika satria, iny ireo tompon-trano tsy tafahetsika intsony iny no novelesin’ireo olon-dratsy ny famaky indray avy eo. Rehefa voafehy tanteraka ny tao an-trano dia nanao izay danin’ny kibony ireto jiolahy nitondra izay azo nalaina rehetra. Efa lasa lavitra ireo olon-dratsy vao sahy niantso ny zandary sy nitsabo ireo naratra ireo mponina. Tsy tana intsony moa ny ain’ilay renim-pianakaviana noho ny ratra mafy nahazo azy. Fantatra kosa amin’izao fa efa mandeha ny hazalambo ataon’ireo mpitandro filaminana hitadiavana ireo jiolahy tsy mifaditrovana ireto.
m.L