- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversBetioky Atsimo : Fatin-dehilahy iray nihantona teny ambony hazo

Betioky Atsimo : Fatin-dehilahy iray nihantona teny ambony hazo

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona no hita faty nihantona teny ambony hazo ny vatana mangatsiakany, ny 4 mey lasa teo, tany amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo. Mpandeha sarety vao maraina no taitra nahatsikaritra zavatra nihantona teny ambony hazo. Rehefa nojerena akaiky dia lehilahy nifatotra teo amin’ny tendany nikiraviravy sady nampihoron-koditra satria nivoaka ny lelany no hita. Raha ny tombatombana sy ny fahitan’ny maro azy dia mety namono tena ity lehilahy namoy ny ainy hita faty ity, izay voalaza fa nahenoana fofon-toaka, ary tsy nahitana ratra na dian-kapoka ny vatany, hoy ny loharanom-baovao voaray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici