Omaly maraina, gaga avokoa ireo mpiantsena nahita ireo sarety taritina nabahana ny arabe teny Soarano. Ny antony, nanao grevy ireo mpitondra azy satria tsy afaka nampiasa ny lalana eny afovoan-tanana. Nilaza izy ireo fa rehefa tsy afaka niasa dia nolazain’ny olona fa mpangarom-paosy. Tsy fantatra na hain’izy ireo ny làlana manan-kery fa tsy azo itaritana sarety ny faritra izay heveriny fa azony iasana.
r.s.



