Herinandro aty aorian’ny fahavakian’ny fonjaben’ i Toliara, ny 2 mey lasa teo, dia mbola misy gadra 28 tafatsoaka ny fonja no miriaria any rehetra any, fa mbola tsy voasambotra hatramin’izao, na dia miara-misalahy andro aman’alina amin’ny fikarohana sy fisamborana azy ireo aza ny polisy, ny zandary ary ireo mpiandry fonja. Efa naparitaka manerana ny Nosy ihany koa ny sary sy mombamomba an’ireto gadra karohina mbola mikarenjy any ho any; izay tsy mety voasambotra mihitsy ireto. Raha araka ny loharanom-baovao voaray farany akaiky ny mpitandro filaminana, dia vao gadra sivy monja tamin’ireo 37 nitsoaka ny fonja tao Bazaribe hatreto no voasambotra.
Eric Manitrisa