Ny alarobia teo tokony tamin’ny 6ora hariva, mpianatry ny lisea ao Soanierana Ivongo “1ere D” no maty voafaokan’ny môtô nirifatra mafy, tao an-tampon-tanana.
Raha ny vaovao nangonina avy tany an-toerana, dia nanana ny rariny satria tan-tsisin-dalana tsara falehan’ny olona no nisy ireo mpirahalahy 18 sy 19 taona, fa ilay môtô no nirimorimo ka tsy nahatana ny familiana noho ny fandehanana mafy, ka nifatratra tamin’izy mirahalahy tsy nanampo na inona na inona ireto akory. Nezahana nentina tany amin’ny hopitaly izy mirahalahy ireto, saingy noho ny dona mafy nahazo ilay 18 taona teo amin’ny lohany sy ny tratrany, dia tsy tana ny ainy. Nosamborin’ny polisy any an-toerana ilay tovolahy nahavanon-doza nirifatra tamin’ny môtô ity. Nisy ny fakana am-bavany azy; izay hiakatra tsy ho ela eo anivon’ny fitsarana ao Toamasina ny raharaha.
Voalaza ihany koa fa manara-maso akaiky sy nanampy ilay tovolahy 19 taona mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ao Soanierana Ivongo; sy mikasika ilay tovolahy nahavanon-doza namono mpianatra izao, ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.
Malala Didier