Tato ho ato, raha ny vaovao voaray, dia mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy mitam-piadiana, ny vaky trano, ny sinto-mahery ary ny harom-paosy any amin’ny distrikan’i Farafangana. Tsy mahandry sasak’alina intsony ireo olon-dratsy, fa amin’ny ora mbola maha be olona mivezivezy iny no manatanteraka ny asa ratsiny izy ireo. Ny asabotsy naraina teo, lehilahy iray mpivarotra omby no maty nisy nitifitra rehefa nentina nialana nenina notsaboina tao amin’ny hopitalibe. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia dimy lahy nirongo basy no nanafika tokantrano iray tao Ambalakininy Farafangana, ny zoma hariva, tamin’ny fito.
Nihosin-drà. Mbola eto eo am-pisakafoana ny iray trano no niditra tampoka ireo jiolahy ary nitifitra avy hatrany an’ ilay raim-pianakaviana ny iray tamin’ireo jiolahy. Ny nahagaga ny mpiara-monina manodidina sy ireo nanatri-maso dia tsy naka entana na tapa-paingotra tao an-trano aza ireo jiolahy, fa lasa avy hatrany raha vao vita ny vono olona niniana natao. Ilay rangahy naratra mafy nihosin-drà kosa nentin’ireo havany namonjy tobim-pitsaboana haingana, ka nony naraina ny andro dia tapitra ny ainy vokatry ny fahaverezan-drà be loatra. Mbola karohina ireo nahavanon-doza, araka ny loharanom-baovao azo farany.
Eric Manitrisa