- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Nandriaka indray ny rà, zazalahy 14 taona voatifitra, omby 18...

Miandrivazo : Nandriaka indray ny rà, zazalahy 14 taona voatifitra, omby 18 very

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika nandatsa-drà narahina vono olona tsy manan-tsiny indray tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ny alahady naraim-be teo, tamin’ny 4 ora, tao amin’ny tanànan’ Ambalavao, Fokontany Antanimainty, 5km atsimo andrefan’ny tampon-tanànan’i Miandrivazo. Tonga dia nanao tifitra variraraka ireo andian-dahalo nentina nampihorohoroana ny mponina teo an-tanàna. Zazalahy 14 taona no niatefan’ny bala ka voatifitra teo amin’ny tanany havia sy ny ambany kibony ary nivoaka tany amin’ny lamosiny ny bala nandritra ny fanafihana, izay naratra mafy ary mbola miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’i Miandrivazo. Omby miisa 18 kosa no lasan’ireo dahalo mitam-piadiana tamin’ity fanafihana indray mitoraka ity, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici