- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

#-Anosy. Mpangalatra ondry matin’ny fokonolona. Tsy ny omby ihany no lasibatra any amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny fa hatramin’ny ondry ihany koa. Ny faran’ny herinandro lasa teo, mpangalatra ondry iray no matin’ny fokonolona rehefa tratran’izy ireo niditra an-tsokosoko tao anaty vala, niaraka tamin’ny namany, tany Tsivory, ao amin’ny distrikan’i Tolagnaro. Rifatra nitsoaka avy hatrany kosa ireo mpangalatra hafa raha vao nahita ny fatin’ity namany, nihosona niaraka tamin’ireo ondry tao am-bala. Fantatra fa eny am-pelatanan’ny zandary ny raharaha ary hamafisina ny fiambenana ireo valan’ondry.

#-Ambilobe. Mpandraharaha lavanila voatafika. Mpandraharaha amina lavanila iray tany amin’iny faritra Ambilobe iny no notafihana jiolahy miiisa fito nitondra basy sy zava-maranitra. Saika hitondra lavanila manta hiakatra any an-tampon-tanàna ity lehilahy no sendra azy ireo. Lavanila tokony ho eo amin’ny 50 kg no lasan’ireo olon-dratsy raha ny fantatra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra tamin’ity fanafihana ity. Marihana fa an-tapitrisany maro ny tetibidin’ity lavanila lasa ity.

#-Ambohimangakely. Naiditra am-ponja ilay tovolahy namono ny raikeliny. Niakatra Fampanoavana omaly ilay tovolahy voalaza fa namono nahafaty ny raikeliny tetsy Ambohimangakely ny herinandro lasa teo. Fantatra taorian’izay fa nampidirina am-ponja vonjimaika ny lehilahy. Tsiahivina fa fifamaliana niafara tamin’ny fikasihan-tanana teo amin’izy mianaka ireto no nitranga teny an-toerana. Tsindrona antsy teo amin’ny fony no antony nahafaty ilay raim-pianakaviana nony avy eo. Rehefa nitsoaka ilay tovolahy namono dia sarona tao amina tokantrano iray teny an-toerana ihany, andro vitsivitsy taty aoriana.

#-Vohipeno. Rongony 400kg sarona. Taorian’ny tany Ihosy sy Betroka dia izao tany Vohipeno izao indray. Rongony mahatratra 400 kg no saron’ny zandary tany an-toerana saika haondrana aty an-drenivohitra. Lehilahy telo no voasambotra tamin’izany raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Samy milaza ho tsy misy tompon’ny entana ireto voasambotra ireto raha ny fantatra hatrany. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao, an’iza indray ary izany ireto zava-mahadomelina an-jatony kilao tratra ireto ?

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici