Ny alahady hariva tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any, notafihana dimy lahy nirongo fiadiana ny fivarotana « pizza » iray tetsy Ivandry. Nanao be fihavy ireo jiolahy ary toa tsy nisy afaka nihetsika ny rehetra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa lasan’ireo bandy ny vola maty tao amin’ilay fivarotana. Tsy vitan’izany fa voaroba ihany koa ireo mpanjifa tamin’io fotoana io. Lasa ny telefonina, ny firavaka volamena. Raha vao nahazo izany ireo olon-dratsy dia lasa niala ny toerana. Tetsy ankilany, nisy nampandre ny mpitandro filamiana mikasika ity fandrobana ity. Tsy niandry ela dia tonga ry zareo ary nanao sava hao ny manodidina rehetra. Tsy mbola fantatra moa na nisy ny voasambotra tamin’ireo mpanafika tao amin’ilay fivarotana na tsia. Ny hany re teny an-toerana dia nisy ny sava hao nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny toerana manodidina. Ho an’ny mponina, indrindra ny aty Andranomahery Ankorondrano, dia malaza iny faritra iny fa fonenan’ny mpanendaka rain-dahany. Efa be dia be ireo nosamborina ary nalefa any am-ponja. Anisan’izany ilay malaza ratsy antsoin’ny rehetra Ramodiratsy izay nikoizan’ny mponina ny zavatra nataony. Eo koa anefa ireo izay vao nahavita sazy mivoaka dia mamerin-keloka indray. Toerana ahitana fivarotana sy fifohana rongony koa iny faritra iny ary ankeviny avy amin’izany no mampirongatra ny asa fanendahana.
r.s.