- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Tsy ampy taona dimy lahy tratra nanendaka

67ha : Tsy ampy taona dimy lahy tratra nanendaka

mpanendakaMitohy hatrany ny ezak’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny famongorana ireo mpanendaka sy tontakely mameno ny araben’Antananarivo. Ny faran’ny herinandro lasa teo, tovolahy kely mbola tsy ampy taona niisa dimy no voasambotry ny pôlisin’ny UIR, rehefa avy nanendaka lehilahy roa avy nirevy teny amin’iny faritra 67ha iny. Raha araka ny fantatra dia handeha hamonjy fodiana ireto olona ireto no nitambaran-dry zalahy sy nanaovany angaredona. Sivy izy ireo no indray nitambatra tamin’ireto roalahy ireto, izay tsy afa-nanoatra firy. Lasa tamin’izany ny vola, ny finday sy ny firavaka rehetra teny amin’izy roalahy vao navelan’izy ireo ireto olona lasibatra. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina no nitranga ity fanendahana ity. Nandeha nitaraina avy hatrany tany amin’ny pôlisy ireto voaendaka ka nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany  no mbola nahatratrarana an’ireto dimy lahy ireto, izay samy mbola tsy ampy taona avokoa raha ny fanadiahadian’ireto mpitandro filaminana. Efa tafatsoaka sy tsy tazana teny an-toerana kosa ireo naman-dry zalahy nanao angaredona nanendaka teny an-toerana. Raha ny fantatra dia tsy mifankahalala akory ireto mpandeka ireto fa ampiraisin’ny asa ratsy dia mitambatra ary lasa horohoron’ny mponina eny an-toerana avy eo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy dimy lahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici