- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTAOLAGNARO : Vehivavy iray may kilan’ny afo tao an-tranony, ny zanany kosa...

TAOLAGNARO : Vehivavy iray may kilan’ny afo tao an-tranony, ny zanany kosa avotra soa aman-tsara

Mandry andriran’antsy ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Etsy ankilany, lozam-pifamoivoizana. Etsy andaniny, hain-trano mahatsiravina. Tranga roa mateti-pitranga teto amintsika tato ho ato izay mazàna hamoizana ain’olona. Renim-pianakaviana iray indray no may kilan’ny afo tao an-tranony omaly maraina. Raha ny fanazavan’ny manodidina nitantara ny zavatra nitranga dia tsy nanampo na inona na inona moa ity farany efa ny afo niredareda be avy ao amin’ny rihana ao ambaniny no nanaitra azy hiantso vonjy haingana. Raha nandre izany ny fokonolona manodidina dia tsy nitazam-potsiny fa nitady izay fomba rehetra nanavotana ilay tra-doza. Marihina moa fa tsy izy irery no tao an-trano fa nitaiza ny zanany mbola kely ihany koa izy. Nanano-sarotra ihany ny famonjena satria dia nihidy avy ato ambany amin’ilay misy afo ny trano ka sarotra ny nidiran’ny mpamonjy. Ny mpamonjy voina rahateo mbola tsy tonga teny an-toerana. Hany herin’ireo vatan-dehilahy nanatrika ny loza dia ny niakatra avy teo an-davarangana naka azy mianaka. Ilay zaza moa no avotra soa aman-tsara fa ilay reniny kosa dia indrisy tsy  nisy azo natao fa tsy antonona ny varavarankely ity farany. Hany fara-hafany ho an’ireo namonjy ny menaky ny ainy dia hoe “Iny zanako iny”. Kiakiakan’olona may sisa no henon’ny manodidina. Efa naterina any amin’ny fianakaviany moa ilay zaza. Ilay ramatoa kosa efa lasa lavenona tanteraka raha vao nitsahatra ny afo. Raha ny antontan’isa voarainay moa dia manodidina ny eo amin’ny 10 eo ireo trano manodidina may niaraka tamin’ity trano ity. Manoloana izany dia maneho ny tsy fahafaliany ny mponina eo anatrehan’ny fitavozavozan’ny sampana mpamonjy voina izay voalaza fa dia taraiky tokoa satria dia efa maty tanteraka ny afo vao tonga izy ireo. Efa misokatra ankehitriny ny fanadihadiana mahakasika izay niavian’ny afo ka nahatonga ny loza.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici