- Publicité -
mercredi, octobre 1, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fatin-jaza menavava notaritaritin’ny alika

Toliara : Fatin-jaza menavava notaritaritin’ny alika

Nahitana fatin-jaza menavava iray narian’olon-tsy fantatra indray tany Toliara afak’omaly. Raha araka ny loharanom-baovao dia nariana tamina lobolobo iray tsy lavitra ny arabe ny razana ary notaritaritin’ny alika ka nisy nahita. Raha ny tomban’ ireo nanatri-maso ity zava-doza mahonena ity dia tsaika dimy volana an-kibo nalana izy io ary nariana teo avy eo, satria efa feno avokoa ny rantsana mandrakotra ny vatany. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ny teo an-tanàna ary nisy andian’olona nandevina ilay zaza menavava tsy manan-tsiny avy eo. Mbola tsy fantatra kosa, raha araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, izay reny nahavonona ny loza.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici