35 taona lasa omaly no nodimandry ilay mpihira malaza Jamaikanina, mpanjakan’ny Reggae, dia i Bob Marley. Maro amin’ireo mpankafy ity gadona reggae ity eto amintsika no mankalaza isan-taona ny andron’ny 11 mey, ary misy foana ny hetsika samihafa hanamarihana izany isan-taona. Tany Toliara, omaly antoandro, tao amin’ny fokontany Ampasikibo, dia tranga nahatsikaiky no niseho. Tovolahy iray 24 taona mpiondana reggae no namono tena nisotro ranon-javatra fotsy ohatra ny ronono, izay voalaza fa Nuvan raha ny fanamarinam-baovao. Nihohaka nandoa izy, avy eo nalemilemy ranamana, ka raha tsy voavonjy haingana dia mety nanaraka hatramin’ny ain-dehibe mihitsy. Talohan’izy namono tena, araka ny vaovao voaray, dia efa nirediredy sy nihogahoga eran’ny tanàna, fa te ho faty androany 11 mey (ny omaly io) mba te-halaza mitovy amin’ny Bob Marley hono izy. Tsy nivakian’ny manodidina loha ny vetsovetson’ity bandy mamon-drongony ity, kanefa dia notanterahiny tokoa ny fikasany, ka teo vao samy talanjona ny rehetra nandre.
Eric Manitrisa