- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

# – Tsaratanàna. Lasan’ny mpandroba ny vola 3 hetsy. Ny faha-7 mey lasa teo, nisehoana fanafihan-dahalo tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatomitsangana, any Tsaratanàna. Vokatr’izany, olona iray no naratra voafira antsy. Lasan’ireo mpandroba ny vola mitentina hatrany amin’ny 3 hetsy ariary miampy DVD iray sy batery. Raha voa niseho ny fanafihana dia nanao ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona. Taorian’izany no nahalalana ny anaran’ireo dahalo. Ny zandary avy ao Tsaratanàna no manao ny fanadihadiana.

#- Mananara Avaratra. Halatra lavanila. Tratran’ny olona ny lehilahy iray nangalatra lavanila 8 kg. Raha vao fantany fa ho tratra izy dia nitsoaka nandositra. Raikitra ny fanenjehana azy. Niafina tao an-tranon’ny rafozany ity lehilahy ity. Rehefa tonga ny olona, noteran’ny rafozany hitolo-batana izy ary nandeha tany amin’ny zandary. Nahare izany ny fokonolona ka nirohotra nangataka ny hamoahana ilay mpangalatra hatao fitsaram-bahoaka. Tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teo aminy ny mpitandro filaminana nanaparitahana ireo olona tezitra.

#- Ambilobe. Ady tany, roalahy voakapa famaky maty ny iray. Lehilahy iray no maty ary iray hafa maratra mafy vokatry ny kapa famaky nahazo azy ireo. Fotony, araka ny vaovao, nisy resaka ady tany tao Maikapango any Ambiloba. Olona roa no fantatra fa niasa tanimbary tamin’ny andron’ny faha-9 may. Ireny nisy dimy lahy nitondra famaky sy antsibe. Avy hatrany dia nokapain’ireto bandy. Ireto olona roa ireto dia niasa tanimbary, tsy nanampo na inona na inona.Voakapa famaky ny iray ary naratra mafy. Ny faharoa kosa maty vokatry ratra nahazo azy.

.# – Analalava. Lehilahy iray maty navadiky ny lakana. Lehilahy iray no fantatra fa maty navidiky ny lakana tany amin’ny tanana iray antsoina hoe Komajary any Ambilobe ny hafa-9 may lasa teo. Olona efatra no niaraka niampita hihazo ny tananany. Teny afovoan-drano anefa, nivadika ny lakana. Avotra soa aman-tsara ny telo. Tsy niandry ela fa fotoana fohy taty aorina dia hita ny fatin’ilay  iray natsingevan’ny rano.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici