Fanafihana indroa miantaona no niseho tamin’ny toerana roa mifanakaiky, omaly alina. Ny iray teny Ankorondrano Andranomahery, ny faharao teny Andraharo. Araka ny vaovao voaray dia andian-jiolahy nirongo basy sy sabatra no nanafika ireo toerana roa ireo. Vokatr’izany, entana maro, vola sy firavaka volamena no lasan’ireo mpanagalatra.
Andraharo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tokony ho tany amin’ny misasakalina tany no tonga tao amina trano iray ireo jiolahy. Ny efitra tany ambony rihana no lasibatra tamin’izany. Lasan’ireo bandy ny entana sarobidy tao an-trano. Tsy afaka nihetsika ny rehetra teo anoloan’ny basy. Taitra ny mpanofa trano tao ambany rihana ary voalaza fa niala ny toerana. Tsy fantatra ny fandehan-javatra, naneno tampoka ny fanairana tao amin’ilay fiara nipetraka teo an-tokotany. Izany no nanaitra irao jiolahy ka rifatra nandositra izy ireo. Tsy hay na saika netin’izy ireo io fiara io na ahoana.
Ankorondrano. Fa ny alin’ny talata ihany, fivarotana iray no lasibatry ny jiolahy tetsy Ankorondrano Andrefana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa nanana fitaovam-piadina ireo mpandroba. Rehefa tafiditra tao amin’ilay trano ry zalahy dia nibetroka be ary nitaky ny vola. Tsy afaka nanao na inona na inona koa ny rehetra fa dia nanaraka izay nolazain’ireo mpangalatra fotsiny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa lasan’ireo olon-dratsy ny vola, ny entana maro ary indrindra ny firavaka volamena tao an-trano.
Faritra mena. Ireo fanafihana indroa miantaona ireo no ilazana fa lasa faritra mena avokoa ny toerana rehetra eto an-drenivohitra. Vao tamin’ny alahady no voatafika ny fivarotana pizza teny Ivandry. Ny ampitson’io, fianakaviana iray no lasibatry ny bandy nampiasa « fonoka » teny Manjakaray. Tsy milamina koa anefa ny eny amin’ny faritr’Ambatomaro. Milaza ny mponina fa mahare feom-basy, saika isaky ny alina. Ity vaovao ity moa anefa tsy voamarina teo anivonn’y mpitandro filaminana. Na izany aza anefa, mandry tsy lavo loha ny rehetra eto an-drenivohitra amin’ny afitsoky ny jiolahy isan-karazany. Amin’ny antoandro, manjaka ny mpanao sinto-mahery eny amin’ny tsena rehetra, ny alina mampihorohoro ny mpanao be hariva sy ny mpamaky trano, izay maka ny sendra azy ireo, volabe sy fitaoavana sarobidy. Tsy izany ihany anefa fa toa tsy mifidy hangalarina intsony izao ny jiolahy, satria miseho lany ny halabotry isan-karazany. Izay hitan-dry zalahy entiny avokoa, na vilany izany na akoho mikotrika, na vilia na vilany.
nangonin’i r.s.