- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpamily taksi mamo, nifatratra tany an-tranon’olona ny fiara nentiny

Toliara : Mpamily taksi mamo, nifatratra tany an-tranon’olona ny fiara nentiny

Tato ho ato namoa-doza foana ny ankamaroan’ireo mpamily mamo mitondra fiara, na dia efa mandray fepetra henjana ny tompon’andraikitra hisorohana ny loza mety hitranga hamono na handratra olon-tsotra, mpandeha tsy manan-tsiny. Afak’omaly alina, tao Andakoro Toliara, dia saoferana taksi mamo no nifatratra tamin’ny tranon’olona ny fiara nentiny, ka saika raikitra ny fitsaram-bahoaka, raha tsy voalamina haingana ny raharaha, hoy ny vaovao voaray, satria nifona mafy nandoalika mihitsy ity mpamily nanimba fananan’olona. Vonona moa ny tenany hanonitra ireo zavatra simba (rindrin-trano sy fefy), raha tsy izany dia nety ho tantara hafa no niafarany raharaha teo. Raha ny fanazavana azo dia niala lavaka ity fiara somary nandeha mafy. Tsy nahatana intsony ny familiana ilay saofera efa jambenan’ny toaka, ka nifatratra tany amin’ny tranon’olona iray mifefy hazo amoron-dalana. Noho ny dona mafin’ilay fiara tamin’ny rindrin-trano dia pepo ny lohan’ity taksi, ary safotra tsy nahatsiaro tena nandritra ny minitra vitsivitsy ny mpamily. Raha vao taitra izy dia nisida hatramin’ny toakany nahita ny zava-nisy, raha araka ny vaovao azo hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici