- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMENABE : Anosimena-Miandrivazo

MENABE : Anosimena-Miandrivazo

“Rtoa Stella Onjiarisoa, ben’ny tanànan’Anosimena (eo an-kavia) sy Atoa Raobelison Fidy Denis, mpandrindram-paritra ny fandaharanasa Matoy ao Menabe (eo an-kavanana”
“Rtoa Stella Onjiarisoa, ben’ny tanànan’Anosimena (eo an-kavia) sy Atoa Raobelison Fidy Denis, mpandrindram-paritra ny fandaharanasa Matoy ao Menabe (eo an-kavanana”

« Ny fandaharanasa Matoy dia manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny kaominina », hoy Stella Onjiarisao, ben’ny tanàna.

Tsy vitsy ankehitriny fa indrindra ireo ben’ny tanàna vaovao voafidy farany teo, no misedra olana  amin’ny fitantanana sy fampandrosoana ireo kaominina. Tsapa fa misy ireo  ezaka nataon’ny fanjakana foibe amin’ny famahana ireo olana isan-karazany, nefa voafetra ny hoenti-manana eo am-pelatanany.

Tohana. « Ny fandaharanasa Matoy dia manampy besaka amin’ny fampandrosaoana ny kaominina », hoy Rtoa Stella Onjiarisoa, ben’ny tanànan’ny  kaominina Antevamena, ao anatin’ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe. Betsaka ireo tohana nomen’ny  fandaharanasa Matoy izay vatsin’ny fiaraha-miasa soisa, ka anisan’ireo ny fiofanana maro samihafa, ny fitaovana hoentina miasa, amin’ny fitantanana tsara tantana, ny famolavolana tetibola, ny fanetsiketsehana ny loharanom-bola eny ifotony ho fanatsarana ny fampidiran-ketran’ny kaominina.  Nisokatra sy amperinasa indray amin’izao fotoana izao, ny birao ifotony ny fananantany, rehefa nikatona nandritra ny fotoana naharitra, vokatr’ireo olona maro samihafa. Nohavoazina ny PLOF, na  ny « Plan Local d’Occupation Foncière » ho fanomezana karatany ho an’ireo  tantsaha, ka nampiharina tamin’izany ihany koa ny hetran-tany mifanandrify amin’izany. Nohatsaraina ny lalan-tany mampitohy ny renivohitry ny kaominina sy ny lalam-pirenena faha-34 ho fanamorana ny fivezivezen’ny vokatra  sy ny olona. Napetraka ny  « agriculture contractuel », na ny fifanekena eo amin’ireo mpamokatra tsaramaso sy ny fikambanana « STOI » amin’ny fampiroboroboana ny  sehatra fihariana  tsaramaso « laingon’i Betsiriry » izay mampalaza an’io faritra Miandrivazo io.

Mpizaha tany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana soisa sy ny kaominina Anosimena dia nahazo famatsiandrano fisotro  mandeha amin’ny herin’ny masoadro ny fokontany Masaikampy, ary ho tonga ihany koa, tsy ho ela, ny herinaratra. Mino  sy matoky  Rtoa Stella Onjiarisoa, izay vehivavy tokana ben’ny tanàna ao anatin’ny faritra Menabe, fa handroso amin’izay ny kaominina Anosimena, izay mahasarika mpizaha tany betsaka noho izy manana ny « embarcadère », na fitobian’ireo  lakana sy sambo madinika mpitondra ireo mpizaha tany mitsidika ny reniranon’i Tsiribihina sy ny hakantony.

OPCI Fivoarana. Marihina fa ny kaominina Anosimena dia mpikambana ao anatin’ny « OPCI » fivoarana  miara-miasa mivantana amin’ny fandaharanasa Matoy, ka ny « association Helvetas Swiss », ny « Association Action  Intercoopération Madagascar (AIM ) ary ny « Ong Saha » no manatanteraka ny asa. Ny tanjon’ny fandaharanasa dia ny fampiroboroboana ny  toekarena eny ifotony hiadiana amin’ny fahantrana, fa indrindra ho an’ ireo vahoaka marefo sy ny vehivavy.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici