- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Trano 38 may kila hotohoton’ny afo, entana an-tapitrisany lasa...

Manakara : Trano 38 may kila hotohoton’ny afo, entana an-tapitrisany lasa lavenona

MAYNitrangana hain-trano nahatsiravina ny tao amin’ny fokontany Andranomainty distrikan’i Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny alin’ny 9 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora, ka trano miisa 38 tafo no kila hotohoton’ny afo, ary tafakatra 126 ireo tsy mana-kialofana vokatr’izany. Raha ny vaovao voaray dia tsy nisy azo noraisina ny ankamaroan’ny entana rehetra mitentina an-tapitrisany maro lasa lavenona. Ny nahavalalanina sy nahataitra ireo namano ny afo ny nahitana tapaka vola sandoka maromaro tsy main’ny afo tamina trano iray may. Nisokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici