- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA : Toliara - Herinandron’ ny fahasalaman’ ny reny...

ATSIMO ANDREFANA : Toliara – Herinandron’ ny fahasalaman’ ny reny sy ny zaza

SANTE“Isan’ny hiadiana ny aretina mamany lava tataka tatavia”

Noho ny antony maro samihafa, indrindra ny henatra, ny tahotra manatona toeram-pitsaboana , dia mbola betsaka ireo vehivavy voan’ny fahatatahan’ny tatavia na ny voan’ny aretina mamany lava aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, raha ny fanazavana azo. Nanentana azy ireo manokana amin’ity hetsika fankalazana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ity ny tompon’andraikitra ao amin’ny sampan-draharaham-paritry ny fahasalamam-bahoaka Toliara, fa tsy andoavam-bola ny fitsaboana ity aretina ity, ary tsy tokony hatao mahamenatra ihany koa.

Maimaim-poana ny fitsaboana. Nentanina ihany koa ireo vehivavy bevohoka hanatona toeram-pitsaboana sy hiteraka amin’ireny tobim-pahasalamana ireny mba hiaraovana ny ainy sy ny ain’ilay zaza, ka izany no antony anaovana izao hetsika izao mba hiadiana amin’ny fahafatesan’ny zaza eo am-pahaterahana sy ny reny maty eo am-piterahana, raha ny fanazavana azo hatrany. « Samy salama ny reny sy ny zaza », io no tanjona voalohany amin’izao hetsika izao. Tsiahivina fa nosokafan’ny lehiben’ny Faritra, Kly Rabe Jules, tamin’ny fomba ofisialy ny 9 mey lasa teo, tao amin’ny CSB II Betania, ny hetsika, ka nisy ny fanaovana vakisiny fiarovana, fitiliana ara-tsakafo, fanomezana vitamina natao tamin’ity herinandro ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici