Raha elaela tsy re ny mahakasika ny resaka « foroche » tany amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny, dia niverina indray izy ankehitriny. Tovolahy iray tokony ho eo amin’ny 20 taona eo indray no maty notsindronin’ireo andian-jatovo mahery fihetsika ; izay fantatra amin’ny anarana hoe « foroche » ny antsy. Efa niezahana ihany moa ny nanavotra ny ainy teny amin’ny hopitaly saingy tsy nisy azo natao intsony. Raha ny fanazavana hatrany moa dia tsara ny manamarika fa ireto andian-jatovo mpanao herisetra ireto dia tsy mandroba velively na mangalatra fa mifaly amin’ny famonoana olona fotsiny ihany. Manoloana izany toe-javatra mampiferin’aina ny mponin’Antsiranana izany dia manambara ny eo anivon’ny polisy sy ny zandary eny an-toerana, fa tsy mitandro hasasarana hatrany izy ireo amin’ny famongorana ity fikambanana ratsy izay mitera-doza ho an’ny fiarahamonina ity. Anisan’ny vahaolana mahomby indrindra amin’izany ady ho amin’ny fandriampahalemana izany ny famerenana ireto farany an-tsekoly na ny fanomezana azy ireo asa mazava mba tsy hahavoasarika azy ireo amin’ ny naman-dratsy. Ankilany kosa, dia mandroso hevitra ireo mponina ny amin’ny tokony hamongorana an’ireto fikambanana ireto hatrany ifotony mihitsy amin’ny alàlan’ny fiadiana amin’ny kolikoly. Raha ny fanamarihan’izy ireo hatrany mantsy, dia misy ireo ray aman-dreny manan-katao sy mahitahita izay manan-janaka tafiditra amin’ireny fikambanana ireny no manao kolikoly rehefa sendra voasambotry ny polisy ny zanany. Ka dia votsotra ho azy tsy nisy famotorana sy fanarahana hahafantarana izay tena lehibeny izy ireo. Ao ihany koa ireo mandroso hevitra ny handefasana mpitandro filaminana avy ety Andrenivohitra. « Matetika noho ny fahatahorana valifaty no mahatonga ny polisy tsy hihetsika sy tsy hanao ny asany an-tsakany sy an-davany. Hany ka manome vahana tanteraka an’ireto « foroche » ireto hanjakazaka eto aminay. », hoy ny fanamarihan’ity renim-pianakaviana iray. Na izany na tsy izany, dia tsara hatrany ny manamarika fa, efa misy ho eo amin’ny 6 taona eo izay no nisian’ity resaka « foroche » any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ity, nefa dia mbola izao manohy mampihorohoro ny mponina izao hatrany. Andrasana arak’izany ny mety ho fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana.
Niony H.