- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Zaza menavava, nisy namono sy nanary teo am-bodifasana

Ambatomaro : Zaza menavava, nisy namono sy nanary teo am-bodifasana

Manakaiky ity ny fetin’ny reny. Mahagaga anefa fa toa misesisey manaraka an’izany koa ny famonoana anaka eto amintsika. Manjary tsy misy vidiny sy hasiny intsony ny aina ho antsika Malagasy. Omaly  dia zaza menavava iray indray, izay efa ary taova tanteraka, no nisy namono ka nanary teo am-bodifasana, tao amin’ny fokontanin’Ampanotokana Ambatomaro. Tsy nisy nahatsikaritra moa izao tranga mampalahelo izao, satria dia feno lobolobo tanteraka ny manodidina an’ilay fasana, ka takona tao ny vatamangatsiakan’ilay zaza tsy manan-tsiny. Fa raha ny fanazavan’ny manodidina hatrany dia lehilahy iray sendra nivalan-drano, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teo amin’io toerana io, no nahatsikaritra an’ity zaza efa tsy nisy aina intsony ka nampandre ny manodidina. “Toerana fanarian’ny olona fako io toerana io ary amin’ny maha fasana azy dia tsy misy hijery izay misy ao. Izay no tsy nahafantaranay ny nitranga tao” hoy ity raim-pianakaviana iray. Raha ny fanazavan’ny mponina hatrany dia azo lazaina ho milamina ihany raha iny toerana iny, sady tranga mbola tsy nisy hatrizay izao miseho izao, ka azon’izy ireo antoka fa olona avy any ivelany no tompon’antoka amin’izao raharaha izao. Manoloana izany toe-javatra izany dia miantso ny eo anivon’ny polisy ny mponina mba hanatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra napetraka tamin’izy ireo. Ireto farany izay voalaza fa zara raha miasa sy mandray olona raha tsy efa misy toe-javatra lehibe toy izao. Tonga teny an-toerana nanao ny “constat” niaraka tamin’izy ireo moa ny fokontany eny an-toerana. Ny fokonolona koa tsy nitazam-potsiny fa dia nandrakotra lamba ity tsy manan-tsiny. Tokony ho tamin’ny 2 ora hariva teo kosa vao tonga naka ny razana ny BMH.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici