Zandary kilasy faharoa iray indray no lavo teny an-tanim-piadiana, omaly vao maraina tany amin’ny kaominina Andranolava, ao amin’ny distrikan’I Sakaraha. Nisy fanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’io kaominina io. Omby an-jatony maro no lasa tamin’io fotoana io, izay raha ny loharanom-baovao dia an’ny ben’ny tanana ao an-toerana. Tamin’ny fanarahan-dia izany no lavon’ny balan’ireo dahalo ity maherin’ny fon’ny zandary ity, tao amin’ny tanana antsoina hoe Ankaboka, ao amin’ny fokontany Ranotsara. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Fantatra fa nisy zandary maromaro nalefa any an-toerana hijery akaiky ity zava-mitranga ity, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Nandrasana ao amin’ny tobin’ny zandary kosa ny vatana mangatsiakan’ity zandary namoy ny ainy, ho an’ny Tanindrazana ity.
Nangonin’i r.s