Rehefa matory avokoa ny rehetra dia midina eo amin’ny zanany vavy vao 14 taona ity raim-pianakaviana efa ho 50 taona any ho any, tampenany ny vavan-janany dia ataony amin’izay hitiavany azy ilay zaza. Tsy afa-nihetsika ilay zaza ,ka rehefa vita ny ataony dia rahonany tsy hiteniteny amin’ny olon-kafa .Narary mafy mantsy ny renin’ity zaza ity ,izany hoe ny vadin’ilay rangahy ka voatery notsaboina tamin’ny hopitaly tao Ambatondrazaka nandritra ny 1 volana tany ho any. Teo no nitsirian’ny hevidratsin’ilay rangaha haka ilay zanany vavy matoa hatao vady hisolo ny reniny .Tao anatin’ny andro tsy nahateo ny reniny no nanaovan-drangahy ny filany rehetra ,izany hoe isan’andro izany dia matory amin-janany foana izy. Nahita hevitra ny handositra ilay zaza taty aoriana ka tany amin’ny nenifarany no nandeha ,ka itsy farany no nitondra ilay zaza teny amin’ny hopitaly nisy ilay reniny marary .Misy 5 mianadahy ny zanak’izy mivady ireto ary 14 taona no vavy matoa ,izay mipetraka ao Amparamanina Amparafaravola izy mianakavy .Nandositra ilay raim-pianakaviana ka nampandre ny polisy ilay reniny amin’ny tranga nisy mba hisambotra ny vadiny. Niaiky ilay raim-pianakaviana tamin’ny fanadihadiana natao taminy ka nangataka fifonana sy fanadiovana tamin’ilay zaza sy ny vadiny. Nampidirina am-ponja vonjimaika ilay rangahy ny faha 12 may 2016 teo ka gaga ny rehetra nahita ilay vadiny mbola nitsodrano azy sady latsa-panenenana hoe « Mahereza dada fa karakaraiko ny zaza».
Janus R