Rehefa avy nopotehana tamin’ny totohondry, nodoràna tamin’ny afon-tsigara ny tarehiny, dia novelivelesina tamin’ny tavoahany ny lohany ho faty. “Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka, no namonoana ho faty ny zanakay, A.R, mpiasam-panjakana, “assistant d’administration” tao Morondava” hoy ny fitantaran’ireto havany tonga teto aminay. Ny 7 may lasa teo no nitranga ity vono olona ity. Namany sy mpiara-miasa aminy ihany no voarohirohy ho nahavita ity heloka bevava ity, raha ny filazan’izy ireo. “Nisy fety nandehan’izy ireo tamin’io fotoana io. Mazava ho azy fa nisy ny fiarahan’ireo mpinamana sy mpiara-miasa nisotrosotro. Tafajanona alina izy ireo tamin’izay ary tany no namonoan’ireo namany efa-dahy azy ho faty” hoy Rtoa Leontine, raharavin-dreniny. Fialonana sa sotasota ? Mbola tsy mazava amin’ireto fianakaviana, hatramin’izao ny anton’izao vono olona mahatsiravina izao. “Efa nandohalika nifompona mihitsy aza ity zanakay kanefa dia izao notaperin’izy ireo ihany ny ainy”. Raha ny fantatra hatrany dia efa nosamborina ireto olona niaraka taminy farany ireto, izay tsy iza, raha ny fanazavàna azo hatrany fa namany anankiroa, ary mpiara-miasa azy akaiky ny roa hafa. Natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana ireto olona voarohirohy ho namono nahafaty an’i AR ireto ary nampidirina am-ponja avy hatrany ny herinandro lasa teo, raha ny vaovao hatrany. “Misaotra sahady ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izahay nandray an-tanana ity raharaha ity. Inoanay fianakaviana fa mba handray ny valin’asany araka ny sahaza azy sy araka ny lalàna ireo izay meloka ” hoy ireto fianakaviana ireto. Ny herinandro lasa teo no natao ny fandevenana azy tany Manakara, notronin’ireo andiany indray mihira faha-25 tao amin’ny INFA, izay nivoahan’ity mpiasam-panjakana ity ary miasa any amin’iny faritra iny.
m.L