- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mirongatra ny halatra kaonteran’ny Jirama

Toliara : Mirongatra ny halatra kaonteran’ny Jirama

Raha ny vaovao voaray dia mirongatra ny halatra kaonteran’ny Jirama ao Toliara. Tao anatin’ny telo andro, nanomboka ny zoma alina teo, ka hatramin’ny afak’omaly alahady, dia tokantrano telo samihafa tao amin’ny fokontany Tsimenatse sy Mahavatse no samy mitaraina fa very kaontera, izay kaontera mipetraka ivelan’ny trano avokoa, raha ny fanazavana azo. Taorian’ny halatra lakolosy nisesisesy tamina toerana maromaro tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, toy ny tao amin’ny kaominina Bezaha Betioky Atsimo, dia ny halatra kaontera indray izany izao no bizina mahazo laka ankehitriny ao an-drenivohitry ny tanànan’ny masoandro. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ka mila mailo mandrakariva ny olom-pirenena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici