- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Jiolahy roa maty voatifitra, roa hafa naratra mafy, basy iray...

Ankorondrano : Jiolahy roa maty voatifitra, roa hafa naratra mafy, basy iray sarona

Nirefodrefotra indray ny basy ny herinandron’ny Pantekôty teo. Teny amin’iny faritra Ankorondrano iny, ny alahady alina lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any. Andian-jiolahy teo amin’ny dimy lahy teo, nitondra basy poleta roa no saika hanafika toeram-pivarotana zava-pisotro teny an-toerana. Efa tafiditra mihitsy aza ry zalahy satria dia naratra nodarohan’izy ireo ny tompon’ny trano fivarotana. Tsy nahazo n’inona anefa izy ireo. Tonga haingana teny an-toerana mantsy ireo pôlisy, na ny teo Ankorondrano, nampian’ny avy any Analamahitsy sy ny UIR. Raikitra ny fifanenjahana sy ny fifampitifirana tany anaty tanimbary rehetra tany. Lavon’ireto pôlisy tamin’izany ny jiolahy roa, raha ny fanazavàna azo tamin’ireo tompon’andraikitra. Basy poleta iray kosa no latsaka tany amin’izy ireo. Nitohy hatrany izany fifandonana sy fifanenjahana hatramin’ny maraina. Tamin’izany no nahazoana ny roalahy, izay fantatra ihany koa fa naratra. Tafaporitsaka kosa ny namany iray. Araka ny fantatra dia ireto andian-jiolahy ireto ihany ilay nanafika an’ilay fivarotana “pizza” tetsy Ivandry, ka nahavoaroba ireo mpividy sy nahazoan’izy ireo vola fito alina ariary sy “pizza” masaka roa. Mety ho izy ireo ihany koa no tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mpivarotra enta-madinika tao Ankorondrano ihany. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao sy ny fikarohana ilay naman’izy ireo tafatsoaka.

Miresaka fetin’ny faran’ny herinandro hatrany, nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireo mpitandro filaminana mba hanaovan’ireo vahoaka fety am-pilaminana. Teny amin’iny faritra Antsonjombe sy Analamahitsy dia fantratra fa mpanendaka, mpifoka rongony miisa 25 no nosamborina teny an-toerana. Vehivavy no roa amin’izy ireo, raha ny fanazavàna ao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici