Trano fivarotana miisa teo amin’ny 350 tafo teo ho eo no indray levon’ny afo omaly vao mangiran-dratsy. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no nitranga ny loza. Noho ny toetr’andro dia vetivety foana dia nahazo ireo tsena hafa, izay vita amin’ny hazo rahateo ny ankabeazany. Niredareda tsy nisy toy izany afo. Ary na dia teo aza ny ezak’ireo mponina dia tsy nety voafehy izany fa nitatra nandevona ireo tsena aman-jatony ireo. Fiaraben’ny mpamonjy voina maromaro no tonga teny an-toerana. Ora maromaro mihitsy vao teo voafehy tanteraka izany, satria dia tany amin’ny valo ora maraina tany ho any vao tena maty tanteraka izany. Hotohoto tsy nisy azo noraisina ireo entana marobe tamin’ireo tsena ireo. Vinavinaina ho tafiakatra any amina miliara maromaro any ho any no tetibidin’ireo entana potika. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Na izany na tsy izany dia an’arivony, ireo mpivarotra no very fananana tao anatin’ny fotoana fohy monja. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny anton’izao fahavoazana izao. Ahiahy ny an’ireo mponina fa hoe natao fanahy iniana nodorana ny tsenan’izy ireo.
r.s