#-Tsaramasay. Dimy lahy nanafika « épicerie », lasa ny vola telo hetsy ariary. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Tsaramasay, akaikin’ny fiangonana, ny alahady alina lasa teo. Dimy lahy samy nitondra basy no nanafika toeram-pivarotana enta-madinika teny an-toerana. Vola nahatratra teo amin’ny telo hetsy ariary teo no lasan’izy ireo tamin’izany. Mpividy iray kosa no fantatra fa naratra nodarohan’ireto olon-dratsy ireto. Nandray ny andraikiny tamin’ny fanenjahana avy hatrany ireo pôlisy teny an-toerana. Voasambotra tamin’izany ny efa-dahy tamin’ireto jiolahy ireto raha ny fanazavàna azo hatrany. Nisy ihany koa ny basy vita gasy iray tratra teny amin’izy ireo.
#- Fetin’ny Pantekôty. 300 no naratra, olona roa namoy ny ainy. Am-pilaminana ihany no nankalazan’ny teto an-drenivohitra ny fetin’ny pantekôty tamin’ity taona ity. Tsy nitovy tamin’ny fetin’ny paka lasa teo mantsy raha ny tarehimarika avy etsy amin’ny hôpitaly Hjra etsy Anosy. Nahatratra teo amin’ny 300 mahery teo ny isan’ireo naratra nandalo tao amin’ity hôpitaly ity tamin’ireo roa andro nankalazana izany. An-jatony tamin’izany no voatery naiditra hôpitaly. Telo tamin’ireo no vokatry ny toaka. Nisy roa kosa ireo olona namoy ny ainy tamin’izany ka anisan’izany ireo jiolahy maty voatifitra tetsy Ankorondrano.
#Tsimbazaza. Adiadin’ny mpifankatia niafara tany ambany taxi-be. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’iny faritra Tsimbazaza iny ny sabotsy lasa teo. Tovolahy iray no naratra mafy rehefa avy voadonan’ny taxibe zotra 015 teny an-toerana. Araka ny fantatra dia niaraka tamin’ny olon-tiany ity tovolahy ity. Nisy anefa ny fifamaliana tamin’izy roa ka voatosika ilay rangahy. Ary dia nifatratra tany amin’ny arabe sy notsenain’ilay taxibe. Tapaka noho izay ny tongony ka voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.
nangonin’i m.L