- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversOniversite Mahajanga : May indray ny Cité-n’ny mpianatra, efitrano 12 kila...

Oniversite Mahajanga : May indray ny Cité-n’ny mpianatra, efitrano 12 kila firehitra

Fanintelony izao tamin’ ity taona 2016 ity, no nisehoana fahamaizana trano ny tao amin’ny oniversite-n’ Ambondrona. Saika fifanolanana teo amin’ny samy mpianatra hatrany no nitera-doza. Nahafoizana fananana an-tapitrisany maro ary niteraka fahamaizana sy faharatrana olona 4 mihitsy aza tamin’ity farany ity. Tamin’ny folo ora maraina teo no namboka ny fihantsina teny an-toerana, omaly talata io. Tora-bato no nisantatra azy, tsy tapitapitra teo anefa dia nirehitra ny trano, nilodaka ny afo samy may avokoa ny bloc 29 sy 30  nifanila taminy ary tsy nisy noraisina daholo ny fananana rehetra tao anatiny.

Nandritra ny fidinanay mpanao gazety teny an-toerana, no nahalalana fa adin’ireo samy mpianatra no niteraka olana. Lonilony mbola tsy afaka eo amin’ireo  mpianatra avy eto Mahajanga (SEMAVI na solidarité Mahajanga ville) sy ny avy any Sofia (SERS na ny solidarité des étudiants Région Sofia) izy io. Resaka famakian’ny mpianatra iray ny  fantsona mankany amin’ny trano fivoahana no tena niatombohan’izao fifanolanana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao.

Ny andron’io ihany, nandray an-tanàna ny raharaha ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny avy ao amin’ny oniversite nitady vahaolana haingana ho an’ireo mpianatra traboina sy naratra nampiakarina teny amin’ny hopitaly. Ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana teny ifotony sy nanao famotorana ireo 2 lahy nosamborina. Ny tomponandraiki-panjakana teto an-toerana kosa izay notarihin’ny préfet- n’i Mahajanga namory avy hatrany ireo izay voakasik’izao raharaha izao, rehefa  nitady izay ho vahalona maharitra hampilamina ny oniverste .

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici