Omaly talata tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany tany, nianjera teny akaikin’ny seram-piaramanidina Ambalamanasa ny fiaramanidina kely iray mitondra ny laharana 974 MF nentina manamboninahitra kolonely frantsay. Ny vaovao no nahafantarana fa vao nisidina teo amin’ny 5 minitra teo izy io no nitontona tamin’ny. Nahasimbana ilay izy izay fantatra fa motera iray ihany no mitondra azy. Naratra ihany koa ilay mpanamory. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa avy any La Réunion ity firamanidina kely ity izay niantsona tao Toamasaina izao ary saika hihazo an’i Mananjary. Fantatra taorian’ny loza fa tokony ho hampiasain’ny zandaramaria Malagasy izy io.
Vaky loha. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo teknisiana momba ny fiaramanidina teo anivon’ny “Aviation Civile de Madagasikara (ACM)”, sy ny ASECNA, ary ny ADEMA, miasa ao Toamasina nijery ifotony izao fianjerana fiaramanidina madinika tsy nisy afa-tsy olona iray izao, dia olana teo amin’ny moterany no nahatonga ny loza. Vao niainga tao Ambalamanasy minitra vitsy ny mpanamory azy dia efa niantso vonjy tamin’ny mpanara-maso ny habakabaka tao Toamasina. Vaky loha ilay kolonely Zandary Frantsay ary efa nahazo ny fitsaboana teo anivon’ny CHU Toamasina. Ny nahavariana ny maro, vao niseho ny loza dia tsy nisy hita ny entana tao anatin’ilay fiaramanidina fa nangalarin’ny sasany talohan’ny nahatongavan’ny polisy. Ny angom-baovao no nahalalana fa manana “plan de vol” ara-dalana ilay mpanamory, saingy tsy mbola nahazo fahazoana misidina kosa talohan’izao loza izao.
Tsy nisy nahalala ny iraka nampanaovina ity zandary frantsay ity ireo tompon’andraikitra ara-pilaminana sy teo anivon’ny fiadidiana ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy izay nanontaniana. Raha ny “plan de vol” azony anefa dia manao zotra la Reunion – Toamasina sy Toamasina – Mananjary izy. Ny alahady teo no nahatongavany tao Toamasina izay efa nanana olana tamin’ny moterany, ary efa noezahana namboarina ihany ny alatsinainy teo. Hiainga hamonjy an’i Mananjary izy izao tra-doza nianjera tao Tanambao Verrerie izao. Vao nianjera ilay fiaramanidina ka nahatsiaro saina taorian’ny fahatoranana nahazo azy ilay manamboninahitra, dia ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena avy hatrany no nantsoiny. Ka izay no hilazana fa manao iraka manokana amin’ny ady ataon’ny zandarimariam-pirenena malagasy amin’ny dahalo any atsimon’i nosy ity zandary frantsay ity. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
Malala Didier