Telo andro tafasaraka tamin’ny namany, taorian’ny fifandonana mahery vaika tamina andian-jiolahy, ny alatsinaina lasa teo, tany Ankazoabo Atsimo. Tsy hita popoka ny zandary roa sy pôlisy iray. Fantatra anefa fa hita ary velona soa aman-tsara izy telo lahy ireto, omaly. Efa reraky ny dia an-tongotra sy ny hanoanana ry zalahy ireto vao hitan’ny namany. Ratra madinidinika ihany no hita teny amin’izy ireo. Amin’ny ankapobeny, hoy ny fanazavana azo dia salama tsara izy telo lahy ireto. Mbola teny amin’izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiany. Tsiahivina fa nisy fifandonana mahery vaika teo amin’ny dahalo an-jatony maro, nanafika tany an-toerana sy ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo. Omby an-jatony maro ihany koa no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nisy avy hatrany ny fifanenjahana ka nahalavo mpitandro filaminana. Teo ihany koa ireo naratra, izay miisa teo amin’ny sivy teo. Olon-tsotra ny roa tamin’izany fa ary zandary kosa no fito, izay efa samy nahazo fitsaboana sahaza azy avy. Tamin’io fifandonana io no nahavery an’ireto mpitandro filaminana ireto, izay samy nitsoaka nanavo-tena avy. Ary dia izao hita soa aman-tsara izao ihany. Mbola mitohy kosa ny fanenjahana sy fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Etsy andanin’izay ny fampandrian-tany ataon’ireto mpitandro filaminana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.
m.L