Nahazo fahafahana vonjimaika omaly raha nandalo fampanaovana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Ihosy ilay mpitandro iray 44 taona, miasa ao Fianarantsoa, voarohirohy tamina varomaizina sy fitondrana rongony, izay tratran’ny sakana nandritra ny fisavana nataon’ireo Zandary Bemôtô (brigade de sécurité routière) Ihosy, tao Ankily, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny asabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Lehilahy iray antsoina hoe : M. kosa no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ity raharaha ity ny andro omaly io.
Eric Manitrisa