- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Fiara nirimorimo, potika tsy nisy noraisina

Andohatapenaka : Fiara nirimorimo, potika tsy nisy noraisina

Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora teo, dia fiara kely iray indray no niharan-doza teny Andohotapenaka. Teo ampitan’ny kianja Maki eny amin’ny Route Digue no nitrangan’izany. Raha ny tombamtombana aloha dia potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ilay fiara. Ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza no hilazana fa noho ny fandehanana mafy loatra no nahatonga izany. Ny andro mbola maizina. “Nirimorimo loatra ilay fiara ka avy hatrany dia nifatratra teo am-pototr’ilay andrin-jiro. Ny dona mafy nahazo azy no nitarika ny fahasimbana”, hoy ny fanamarihan’ity raim-pianakaviana iray teny an-toerana. Marihina hatrany moa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity zava-nitranga ity. Efa nentina eny amin’ny hopitaly kosa ilay mpamily nomena ny fitsaboana sahaza azy.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici