Ravan’ny pôlisy indray ny tambazotrana jiolahy iray teto Antsirabe , nampikaikaika ny mponina teny Ambohimena tamina resaka vaky trano. Valo no voasambotra hatreto ary vehivavy ny iray. Nanomboka ny asabotsy 22 febroary no nanao ny fisamborana ny polisy, vaovao avy tamina olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ireto olon-dratsy ireto. Niainga tamin’izay ny fanadihadihana ka raha olona iray no voasambotra tany am-boalohany, nahatratra 8 izany ankehitriny , mpividy entana ny iray. Saika nahitana vehivavy matetika ireo jiolahy, ilay vehivavy no ampiasana mitsikilo ny toerana hotafihana, mody asaina mividy zavatra amina toeram-pivarotana iray nefa mijery ny hirika hitsofohana. Fantatra ihany koa fa ilay vehivahy no ajanona ety ivalan’ny trano hotafihana mitazana ireo polisy ka raha vao tonga ny mpitandro filaminana manao fisafoana dia “mi-bip” ireo namany izy. Izany no antony tsy nahatratrarana ireo jiolahy am-bodiomby raha ny fanazavana nomen’ny koamisera “divisionnaire” Talily Damy izay vao herinandro monja izao no nandray ny fitantanana ny faritra Vakinankaratra.
Ankoatra ireo entana maro isan-karazany najifan’ireto jiolahy voasambotra ireto, dia mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny volamena nangalariny. Taorian’ny fanadihadihana, fantatra fa naverina tamin’ny tompony io volamena io. Mbola misy naman’ireo jiolahy karohina ankehitriny miaraka amina basy raha ny fanazavana hatrany ka nanentana ny vahoaka ny kaomisera ny amin’ny fiaraha-miasa, mba hanome fanampim-baovao ny polisy fa hotazonina ho tsiambaratelo izany.
Andry N.