Fifamaliana niafara hatrany amin’ny famonoana ho faty mihitsy. Izay no nitranga tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny herinandro lasa teo. Rangahy iray no maty tsy tra-drano rehefa natosik’ ity lehilahy nifamaly taminy ka nianjera avy teny amin’ny tohatry ny tranony, tao Ambatovaky, Antanetibe, kaominina Beronono. Raha ny vaovao azo, dia fifamaliana teo amin’ny roa tonta no nahatonga izao famonoana olona izao. Rehefa tsy vitan’ny vava intsony mantsy ny adin’ireto roalahy ireto, dia tonga hatrany amin’ny fikasihan-tànana. Tamin’io fotoana io, voatosika mafimafy ity rangahy ity teo an-tohatra ka niakarampoka. Sendra trano misy rihana rahateo ka tsy nijanona ny fianjerana raha tsy tany ambany rihana. Nijininika ny rà. Voa mafy teo amin’ny lohany ilay lehilahy. Niezaka ny namonjy ity naratra tany amin’ny hôpitaly ihany ny fianakaviana, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana teo anatrehan’izay vono olona izay ka nitondra sy nisambotra ilay nahavanon-doza, mba hohadihadiana.
m.L