- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversBeforona : Mpitandro filaminana mampihorohoro

Beforona : Mpitandro filaminana mampihorohoro

Tapaka ny làlana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny alahadin’ny Pentekosta teo ao amin’ny kaominina Beforona distrikan’i Moramanga noho ny fitokonana nataon’ireo fokonolona teo amin’io Kaominina io sy ny manodididina. Ny antony, dia noho ny fitakian’izy ireo ny famoahana lehilahy iray avy ao an-toerana; izay nosamborin’ny zandary vao mangiran-dratsin’ny alahady io ihany. Ity farany izay niezaka nandamina zandary iray tao anaty alim-pandihizana ny sabotsy alina raha nikasa ny hanadala an-dRamatoa vadiny ka saika nanamparan’ity mpitandro ny filaminana ity ny fahefany .

Taorian’izay, dia nisy ny fifampikasihan-tànana ka naratra vokatr’izany ilay mpitandro ny filaminana sy ny lefitry ny Ben’ny Tanàna .Niaka-pofona arak’izany ny fokonolona raha vantany vao naheno, fa nosamborina ilay lehilahy tompom-bady ka raikitra teo ny barazy fanapahan-dàlana, ny alahady teo. Tonga tao ny Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga nifandamina niaraka tamin’ ireo olobe sy ny mponina ary ny Chef de poste tao Beforona kanefa tsy nahitana vokany satria tsy nety namoaka ilay nosamborina ny Zandary tao an-toerana. Tnga teo ihany koa ny solombavambahoaka iray avy any Fenoarivo Atsinanana, Atoa Mohamad Ahmad  ka nifampiresaka tamin’ireo vahoaka nitokona nanapaka ny lalana, teo no nandraisany fanapahan-kevitra niverina tany Moramanga nifampiraharaha tamin’ny Commandant de Compagnie Moramanga. Rehefa izay dia tapaka fa havoaka ilay rangahy ary tsy asiana arakaraka ny momba azy, fa ilay mpitandro ny filaminana kosa dia anjaran’ny Lehibeny ao amin’ny zandarimariam-pirenena no mijery ny momba azy manokana.

Nangonin’i RD

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici