- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Renim-pianakaviana maty nodonin’ny 4x4

Andraharo : Renim-pianakaviana maty nodonin’ny 4×4

Namoa-tsampona indray ny fifamoivoizana an-drenivohitra. Renim-pianakaviana iray indray no niharan-doza voadonan’ny fiara tsy mataho-dàlana iray, teny Andraharo, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza, dia nirava avy niasa izy no izao niharan-doza izao. « Avy niasa izy, nandeha niampita handray « taxi-be » hodiana izy no izao voadonan’ny 4×4 izao. Tsy hitany ny loza hahazo azy fa be loatra koa ireo fiara nifamezivezy » hoy kosa ny mpiara-miasa aminy. Voalaza fa tsy nitazam-potsiny ny tompon’ilay  4×4, fa nandray an-tànana avy hatrany ity niharam-boina ka  nitondra azy teny amin’ny HJRA. Voa mafy tanteraka ny lohany, ny valahany sy ny tongony. Saingy noho ny fahaverezan-drà be loatra taminy, dia tsy tàna intsony ny ainy omaly maraina. Namela kamboty telo ity renim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mbola nandray ny andraikiny hatrany ilay tompona 4×4 hatramin’ny fanitrihana ny razana eny amin’ny fasany  Anjomakely, Manjakandriana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici