Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana niseho tamina tranombarotra lehibe izay nahafatesana raim-pianakaviana iray teny Antohomadinika, tranombarotra lehibe iray hafa koa, ampitan’ny « Mada Hotel » 67ha, no nisy nanafika, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny roa ora teo. Raha ny fitantaran’ny manodidina sy ireo vavolombelona anisan’ny voaambana basy tamin’izao fanafihana izao, dia dimy lahy izy ireo no niara-nanafika sy nandroba tao amin’ity « grossiste » ity. Ny roa tamin’izy ireo no nirongo basy. « Tsy nisy nanampo na inona na inona izahay. Avy hatrany ireto olon-dratsy dia niditra tsy nihambahambana ny tranombarotra ka ny iray nanambana basy ny olona rehetra, ny ambiny nanangona ny vola sy ny entana rehetra azon’izy ireo nalaina. Nisy naman’izy ireo iray hafa koa nijanona teny ivelan’ny tsena nanambana basy ny manodidina mba tsy hisy hiantso vonjy. Enina izahay no tao anatiny fa ny roa hafa lasa nitsoaka tany ambadika avy hatrany raha vao nahita ireto olon-dratsy.» hoy ny fitantaran’ny mpiasa iray ao amin’ity tranombarotra ity. Tsy nisy afa-nanohitra araka izany fa dia namela malalaka an’ireto jiolahy hanatanteraka ny asa ratsiny na ny tompon’ny tranombarotra na ireo mpiasa na ireo taty ivelany. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary miaraka amin’ny entana maromaro. Tsy vitan’izany, fa mbola noraofin’ireto jiolahy ireto hatramin’ireo finday izay saika hamidin’ireo mpivarotra ivelan’ity tranombarotra ity. « Ny gony nitondrany ny vola be avy tao anaty tranombarotra ihany no nandraofan’izy ireo ny finday rehetra hitany tety ivelany. » hoy ny fanamarihan’ity mpivarotra iray. Mitovy hetim-bolo, tsy nisaron-tava ary samy nanao kapa sy « short » daholo izy dimy lahy ireto nandritra izao fanafihana izao. Nandeha tongotra mitovy amin’ny olon-drehetra nihazo an’Antohomadinika izy ireo taorian’ izay ka tsy nisy nahafantarana azy ireo ho olon-dratsy. Ny basy rahateo efa nasitriny tanaty gony. Tetsy ankilany, noho ny tahotra sy ny fikorontanan-tsaina nateraky ny zava-nitranga, dia nangorona ny entany avy ireo mpivarotra ka samy nody any amin’ny tokantranony avy taorian’ny zava-niseho. Efa tonga teny an-toerana nandray an-tànana ny raharaha ny teo anivon’ny polisin’ny boriborintany fahafito narahan’ny tao amin’ny « Brigade criminelle », ny UIR ary ny « Police centrale ». Misokatra ankehitriny ny fanadihadiana.
Niony H.