- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia Amboniloha : Saika raikitra ny sakoroka, nandà ny fametrahana “pylône” teny...

Alarobia Amboniloha : Saika raikitra ny sakoroka, nandà ny fametrahana “pylône” teny an-toerana ny mponina

Nikorontana vao maraina ny teny Amboniloha omaly. Efa nifamory teny an-toerana ireo mponina, nanakana ny fametrahana “pylone” tamina trano lehibe iray. Efa tonga tao amin’ity farany mantsy ireo mpiasa ary niomana ny hametaka izany. Nitombo tsikelikely teo ireo olona ary nitangorona. Velona ny horakoraka sy tsoka kiririoka. Nikatso tanteraka ny fifamoivoizana, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any ary saika raikitra ny sakoroka. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny pôlisy teo anatrehan’izany. “Tsy manaiky ny hamatrehana an’io eto am-povoan-tanana eto izahay” hoy ny antsoantson’ireo olona. Raha ny tokony ho izy tokoa mantsy dia tsy tokony apetrapetraka foana sy na aiza na aiza izy ireny noho ny taratra izay mitondra vokatra ratsy ho an’ny fahasalamana. Fa ambonin’izay fantatra ihany koa fa tsy nahazo alalàna velively, na tany amin’ny fokontany na tany amin’ireo ambaratonga mahefa ihany koa ny orinasa saika hametraka an’ity “pylone” ity teny an-toerana. “Tsy nisy akory ny fangatahana alalàna taty amiko ary tsy nahafantatra ny fisian’io asa io velively ny tenako” hoy Atoa Rakotoarisoa Harijaona, sefo fokontany eny an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ity sefo fokontany ity, tonga teny an-toerana niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana nampijanona ny asa. Nisy ihany koa mantsy ny taratasy fampitandremana nomen’ny kaominina hampitsaharana ity asa ity. Nilamina ihany izany korontana izany ny tolakandron’ny omaly, rehefa navoaka sy nalefa nody ireo mpiasa saika hametaka ity fitaovana ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici