- Publicité -
mercredi, juin 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Lehilahy voadonan’ny « ambulance », torana tsy nahatsiaro tena

Ambohitrarahaba : Lehilahy voadonan’ny « ambulance », torana tsy nahatsiaro tena

Dia mitohy hatrany ny lozam-pamoivoizana eto amintsika. Omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro, dia fiara mpitondra marary iray an’ny kaominin’i Sabotsy Namehana indray no nandona olona teny Ambohitrarahaba raha izy avy nanatitra marary iny. Lehilahy tokony ho eo amin’ny 45 taona eo ho eo ity niharan-doza ity. Voa mafy tokoa izy raha ny tombatomban’ireo nanatri-maso satria torana tsy nahatsiaro tena, nidaraboka teo amin’ny arabe taorian’ny dona nahazo azy. Avy hatrany ilay mpamily dia tsy nisalasala fa nitondra azy teny amin’ny HJRA Ampefiloha.  Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny loza satria tsy nisy fianakaviana na vavolombelona nanaraka ity niharam-boina ity. Fa raha ny fanazavana voarainay hatrany dia sendra nibolisatra teo an-tsisin’arabe ity lehilahy ity no notsenain’ity fiara mpitondra marary.  Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy dia fantatra mazava izao fa tratran’ny “traumatisme cranien” izy satria ny lohany no tena voa mafy. Nahitana fivontosana sy fahavakisana teo amin’ny andriny ary nisy rà nivoaka ihany koa ny sofiny. Izy rahateo mbola tsy nahatsiaro tena tanteraka hatramin’ny fotoana nialanay teny amin’ny hopitaly. Andrasana araka izany ny fahatongavan’ny fianakaviany hijery akaiky ny toe-pahasalamany.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici