- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Lehilahy iray tratra nangalatra vy

Analakely : Lehilahy iray tratra nangalatra vy

Ny alin’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, lehilahy iray no fantatra fa nangalatra ny vy tamin’ireny « horodateur » teny Analakely. Nisy nahita anefa izany ka tonga dia nampandre ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany. Raikitra ny fanenjehana an’io olona io tamin’io alina io ihany. Ny mpiambina no nahatratra azy ary ireto farany no nanatitra azy tany amin’ny biraon’ny polisy. Ity olona ity no hita nitondra ny vy. Rehefa nofotorana izy io dia nilaza fa saika hamidiny eny amin’ny mpandray vy eny amin’ny Petite Vitesse ny entana. Tsy mahagaga, hoy ny mpanara-baovao raha maro ny fotodrafitrasa simba manerana ny lalana sy ny toerana maro eto andrenivohitra. Misy ny mpangalatra vy ary tena mbola misy ny mpividy izany, tsy eny amin’ny Petite Vitesse ihany fa eny Isotry no tena foibe, hoy ireo mahalala tsara ny « bizina ». Ho an’ilay rangahy tratra nangalatra, omaly izy no natolotra ny Fampanohavana teny Anosy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici