Taorian’ilay fanankan-dalana niseho ny talata lasa teo, tany amin’iny faritra Morafenobe iny, ka nahafatesana zandary iray, dia fantatra fa efa nioty ny vokatra tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ireo mpitandro filaminana. Raha ny vaovao voaray dia telo tamin’ireo mpanakan-dalana no maty voatifitry ny zandary, telo hafa voasambotra, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ody gasy. Amin’izao fotoana izao, dia mbola misy dahalo roa tafaporitsaka ary karohina fatratra. Raha tsiahivina kely dia ny talata lasa teo, taxi-brousse iray mampitohy an’i Morafenobe sy ny renivohitra no lasibatry ny jiolahy enin-dahy mirongo basy sy zava-maranitra. Nisy mpitandro filaminana roalahy, kaomisera sy zandary kilasy voalohany, mpiasan’ny Bianco, handeha ho any an-toerana, hamita iraka amin’ny fanaraha-maso ny fanadinana ara-panjakana hidirana ho pôlisy tao anatin’ity fiara voatafika ity. Raha iny saika hanantanteraka ny asany iny anefa ilay zandary no tonga aloha ny tifitr’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny tratrany ity farany ary namoy ny ainy. Niezaka nitifitra ihany koa ilay pôlisy ka nahavoa dahalo iray. Rifatra nitsoaka tamin’izay ireto mpanafika. Teo no ho eo ihany dia nandeha ny savahao sy ny fanenjahana ireto malaso ireto, nataon’ireo zandary tany an-toerana. Raikitra ny fifampitifirana tamin’ireo olon-dratsy ka nahafaty ny telo tamin’izy ireo. Azo sambo-belona kosa ny iray, niaraka tamin’ny namany izay fantatra fa mpamatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Nisy tamin’izy ireo anefa tetsy andanin’izay no tafaporitsaka. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ireto farany ireto, izay raha ny fampitam-baovao azo dia efa fantatra ny mombamomba azy ireo. Ny alakamisy lasa teo kosa no nanaovam-beloma farany ity mahery fon’ny zandary ity tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, talohan’ny nanaterana ny razana tany Fianarantsoa.
m.L