- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Tsy tonga i Odyai, nivadika korontana ny fampisehoana

Tsiroanomandidy : Tsy tonga i Odyai, nivadika korontana ny fampisehoana

ODYAI
ODYAI

Raha fampisehoana sy fialam-boly no nantenaina dia korontana kosa no niainana. Nandritra ny fotoana nifanomezan’i Odyai sy mpanakanto hafa tamin’ireo vahoakan’i Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, dia disadisa tanteraka no nitranga. Niparitaka tamin’ny tambajotram-pifandraisana mantsy ny vaovao fa tsy tonga nanome fahafaham-po ho an’ny mpankafy azy i Odyai taorian’ny fifanarahana nataon’ny mpikarakara tamin’ny kaominina ka dia nanaitra ny fahatezeran’ny mpijery. Raikitra tamin’izany ny toraka tavoahangy labiera nataon’ny sasantsasany tamin’ireo tsy faly tamin’ireo mpanakanto hafa tonga mba nameno ny banga sy nanafana ny fety. Naratra mafy araka izany ny mpanakanto iray izay artista nasaina niaraka tamin’i Odyai, izay hany mba nanoina ny antso. Efa nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana izy raha ny fanazavana voarainay. Mba ho fandaminana ny toe-draharaha dia tonga teny an-toerana ny miaramila ka nanao tifi-danitra hanaparitahana ireo olona nisahotaka. Nisy tamin’ireo mpanakorontana no efa nosamborina ka nentina nanaovana fanadihadiana any amin’ny tobin’ny miaramila any an-toerana.  Raha ny mikasika ny antony tsy nahatongavan’i Odyai kosa dia mbola tsy fantatra mazava hatreto. Ao ireo milaza fa simba teny an-dàlana ny kodiaran’ny fiara nitondra ny tarika noho ny haratsian’ny làlana ka dia taraiky nanamboatra izany tao an-tampon-tanànan’i Tsiroanomandidy izy ireo. Ao kosa ny nanamarika fa ny fahatahorana dahalo mpanakan-dàlana no tena nahatonga ny tarika tsy nipoitra tamin’ny ora farany. Marihina fa mbola làlana 50km miala an’i Tsiroanomandidy no misy ny kaominin’i Bemahatazana, toeran’ny fampisehoana. Andrasana araka izany ny mety ho fanazavan’ny mpikarakara.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici