Miverina mirongatra izay tsy izy indray amin’izao ny asan-jiolahy maherivaika. Na io eto Andrenivohtira na amin’ireo faritra manodidina. Ny sabotsy lasa teo, jiolahy iray saika hanafika tao amina fivarotana enta-madinika iray teny Ambohitrimanjaka no sendra matin’ny namany niara-nanafika taminy ihany. Voatifitra tsy nahy raha ilay mpivarotra no nokendrena. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no niseho ny trangam-panafihana ity raha ny vaovao voaray. Mbola nisokatra ity fivarotana entan-madinika ity tamin’io fotoana io no tonga nirodorodo avy any ireto andian-jiolahy. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia mody nividy sigara ny iray tamin’izy ireo. Avy hatrany kosa dia nanambana basy ny namany iray sy nandrahoana ilay mpivarotra mba hanome ny vola. Angamba somary namaly ilay mpivarotra ka saika hitifitra ity jiolahy nitana basy. Voapekan’ity rangahy mpivarotra haingana anefa ilay basy teny an-tanan’ity olon-dratsy ka tany amin’ilay namany teo akaikiny ihany no nirefotra ny basy. Nijininika ny rà ary nitolefika moramora ilehio. Nitsoaka avy hatrany ity nitifitra raha vao voa ilay niaraka taminy. Velona anefa ny fanenjehana. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana ka tsy ela dia voasambotra ity jiolahy mpanafika ity, niaraka tamin’ny basy teny aminy. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa isan’ireo olon-dratsy raindahiny, mpanafika eny amin’iny toerana iny ireto maty sy voasambotra ireto, raha ny vaovao hatrany.
m.L