Efa maty paika tanteraka ny tetik’ireto olon-dratsy, nangalàna ny vola 11 tapitrisa ariary mahery teny amin’ilay tovolahy handeha hanatitra vola ana fivarotan-dasantsy tetsy Ambatomainty. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, teny amin’iny faritra Amboditsiry iny. Niisa teo amin’ny efatra teo ireo jiolahy raha ny vaovao voaray ary samy tsy nisy nisaron-tava. Nitaingina môtô “scooter” roa izy ireo. Raha ny zava-niseho dia azo heverina fa efa ela no nanarahan’izy ireo ity fiara “taxi” iray, izay nandehanan’ity mpitondra vola ity. Nohodidin’ireto olon-dratsy ireto ilay taxi, izay tsy nahataitra loatra ny mpamily, satria efa lasa fahazarana loatra ho an’ireo mpitondra môtô eto amintsika izany. Nony tonga teo teny amin’iny fairtra Amboditsiry iny anefa, ka rehefa somary tery ny lalana no niditra tamin’ny tena fanafihana tamin’izay ry zalahy. Raha ny vaovao voaray hatrany ihany koa, asa na fifandrifian-javatra na efa mpiray tsikombakomba rahateo amin’ireo jiolahy ny fiara Sprinter iray somary nibahana teo aloha. Mora tamin’ireo olon-dratsy an-kavia tamin’izay fotoana izay, izay samy nitondra basy avy ny nandrahoana ilay mpamily hijanona. Tesy andanin’izay kosa, ireo teo an-kavanana, izay nitondra basy ihany koa, nandrahoana ilay mpiasan’ilay fivarotan-dasantsy hamoaka sy hanome azy ireo ny vola tany anaty sakaosiny. Tsy nisy azon’ireto voatafika natao afa-tsy ny nanao izay sitrapon’ireo jiolahy. Lasa tamin’izany ity volabe ity. Tao anatin’ny indray mipi-maso araka ny fitenenana no nanatanterahan’izy ireo izany. Fantatra fa efa nampandrenesina tamin’ity fanafihana ity ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana.
m.L