Mitebiteby fatratra ny mponin’Itaosy, indrindra fa ny ao amin’ny fokontanin’Ambanilalana, Ambaniala sy Andranonahoatra. Misy andiana tanora Afrikana mipetraka sy mivezivezy eny an-toerana, nefa tsy misy taratasy mazava mikasika azy ireo na ny anton’ny nahatongavan’izy ireo teto an-tanindrazana. Raha ny filazan-dRakotorado Bruno, sefo fokontany Ambanilalana, dia efa mahery ny iray volana izy ireo no hita teny. « Efa mihoatra ny iray volana izy ireo no nipetraka tety, nefa tsy misy taratasy mazava. Raha ny lalàna anefa no jerena dia tsy azo atao ny mijanona eo amin’ny firenena iray raha tsy misy taratasy mazava. Sarotra koa ny mifandray amin’izy ireo, satria tsy miteny afatsy teny anglisy ihany izy ireo» hoy ny fanamarihany. Raha sendra nanontany ny sasany tamin’ireto vahiny ireto Rakotoson Pierre dia nilaza ireto farany fa teratany Ganeana ary tonga mba hilalao baolina kitra. Ny federasion’ny Kitra Malagasy anefa hatreto tsy mbola nandefa taratasy mampandre ny mikasika izany. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ny mponina, mba hijery akaiky ny toe-draharaha.
Niony H.